Lamaody (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho ve no taraiky amin'ilay lamaody
sa ny masoko no adala, mora kaodikaody ?
Izaho ve no taraiky amin'ilay tantara
sa ve ny fijeriko, no mbola tsy zatra tsara ?

Fa ny tafy izay mba tsinjoko, toa tena manahirana
mazava be ny karatra, tsy mila misompirana
ny ravin-damba tsy ampy, ny fihetsika moa jefy
ka ny maso rangaranga, tsy mba misy fefy

ny fihetsika amin'izany, miraitra ve sa jila
fa vao mandihy mahery, dia hita daholo ny ila
ny hahavon'ny kiraro, efa ho rain-jehy
miampy ilay sadiaka, mamatotra am-pe

ny loko tsy lazaina, mazava tsy jerena
ny rafitry ny vatana, fehezina terena
ny sarona anoloana, aseho kely ny tafony
kely sisa dia hita, ny laingon'ity trafony

Izany re no hitako, lazaina hoe lamaody
taraiky teo ny masoko, tsy nahalala haody
mampanontany tena, hoe izao ve no mivoatra
ny afenina rehetra, asiana kely mihoatra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1453 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0706