Lasa (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho any ianao fa haiko, ary efa kely sisadia io fa hamonjy, ilay tory feno visa
saran'ny havizanan'ny tontolo andro
sandam-bezivezy, mandram-podin'ny masoandro
Ho any ianao fa hitako, amin'ny fironjonanao
fotoana vitsy sisa, dia io fa lasa izao
manaraka ny antso, sy ny sinton-tory
ilay hoe mipetraka, tsy tadidinao akory
Ho any ianao fa tsinjoko, ary koa ilokako
fa minitra vitsy monja, ny fiesonao hanako
handreby ny tontolo, iray fiaran-dalamby
fa mandrotsy anao mafy, izato halaviran-dia
Ho any ianao fa tazako, ilay rora-molotra
sy ilay fihetsikao, io fa mitambotsotra
ny hafa efa gaga, manomboka ho kivy
fa efa hiala any koa ny rarak-ivy
Dia iny tokoa ary, tsy tapitra ny teniko
fa ny esonao, no feo nanjary henoko,
ireo fosa adaladalan'ny olo-manoloana
no nanarontsarona, ilay feonao feno raona
Dia minitra maro , angamba efa ho folo,
ny jerin'ny rehetra taminao daholo,
mandefa ny eritreriny, sy ny tao an-tsainy
mandinika anao, fa tsy nisy nozarainy
Soa moa fa nijanona ilay fiaran-dalamby
dia teo koa no nifarana ilay tory izay malia
ny fijotsoan'ny mpandeha, tanaty godogodony
no nanaitra anao, tamin'ny rodorodony
Dia nihiratra ny maso, niherika ny loha
tena natory lahy, saika tsy nifoha
dia nanoaka kely, dia namafa ivy raraka
dia nijery ireo nivoaka, dia iny fa nanaraka
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy