Lasa aiza ??? (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Notereko manta ihany, ireo vain-tanako hanoratra, sy hikirakira teny
natositosiko vohon-tanana, ilay ainga mbola kamo, sy mbola nirenireny
nokorontaniko hiarina,
ireo rima mbola varina,
tany an-tontolo tsy hay takarina,
hiloa-peo na mbola farina

Notereko koa ho masaka, ireo voaloboka litera, na angamba tsy fotoana
niniako notaza-manta, hitambatambatra ho teny, asa loatra re nahoana
tiako havadika ho divay
hanamamo redy indray
ho tononkalo te hivay
hameno bedy mbola tsy hay

Notereko an-tsetran-teny, ireo ambiroa mihisatra, valalanin'ny tsy haiko
notairitairiko hifoha, ireo vetso misalobona, mitady hidify irony baiko
ny kantony moa ve no lany
sa ilay fanahy no mbola tsy any
sa lasa aiza ilay vinany
iza no mahavaly izany ????

© Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1501 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 22/09/2014 22:02
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0255