Lasam-borona (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitsoaka tao am-ponjany hono, Ragisa sy Ragana
Nitsoaka koa Rakoho, nivoaka ny tanàna
Dia nifanenjehana, natao haza lambo
Ka dia tratra ihany, tsy afaka atambo

Dia teo am-pifatorana, am-piandrasana ny rariny,
Izy telo no mitafa, ny feony koa akariny
Mingosongoso teny, mimenon-tsy mitsahatra
Izao no fiainam-borona, ekena f’efa lahatra

Izaho hoy Ragisa, rehefa volana novambra
Manamboatra saina, hoe efa tsy ho mambra
Fa fotoana vitsy sisa, hihaonana am-pisoko
Ka manararaotra farany, mba hisokosoko

Izaho indray hoy Ragana, efa nolazaina
Hoe raha vao vantovantony, dia miomana ho rasaina
Tsy misy izay hoe paska, na hoe andro noely
Fa dia tapa-doha, vao misy fety kely

Izaho aza hoy Rakoho, tsy misy tany iainana
Vao maheno feon-gitara, dia lasa fisainana
Hoe raha miitatra eto ity, mampiakatra tavoahangy
Dia izay no vita ny amiko, tapaka ny nangy

Dia nandalo Ratsiloza, nibarareoka sy niedina
Izao ny anareo rehefa pendimpendina
Hitsoaka ho aiza anefa, manaova toa ahy,
Na inona mitranga, tsy mba miahiahy

Izaho no ela indrindra teto, ny vintako no tsara
Tsy mihambo aho, fa izaho no antsoina afara
Izaho mantsy no Valera, sy tompom-boninahitra
Ka tsy mitovy isika, na dia samy am-pahitra

Dia iny koa nidingina, niavaka amin’ny maro
Izy hono hafa, ka tsy te hifangaro
Sady nidobodoboka, nisioka valambalana
Kanjo poa toy izay, dia teny ambony ankalana

Ny anatra azo raisina, angamba toy izao
Rehefa iray sambo, tsy misy izaho sy ianao
Fa miaraka mitolona, tsy misy fiatahana
F’izay manava-tena ihany no avahana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
810 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1255