You are here: home > Vetso

Lasany iny - raozigasy

Azo vakiana?

Lasan’iny, lasany any,
Tsy hetraketraky ny tany
Fa sangy ratsin’itsy habaka
Mampirotsa-dranom-bavaka

Lasan’iny, lasany any
Norobainy ilay vinany
S’ilay nofy mbola mamy
Nindaosiny any lavitra any

Lasan’iny, lasany any
Ilay fo latsa-tomany
Fa maninona ry tany ?
No anjarako izany ?

Lasan’iny lasany any,
Iovany vazan-tany
Izaho tsy afaka mankany
Fa gadra an-trano, an-tsesin-tany

Lasan’iny , voromby,
Ka rendrika ilay fitia
Tsy mandram-pihaona intsony ity
Fa veloma ho doria

Hametraka hevitra

Midira aloha