Lohan’ ampondra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
maraina indray ny andro dia iny ikala Tine
kingakinga dia, tsy mahazo kamo tsinona
mitondra ny kovetany, sy ilay sobikan-damba
handeha amoron-drano, hiasa hanasa lamba

na vao mangirana aza, iny vodilanitra iny
tsy maintsy miainga izy, vao mipaika ny amin’ny dimy
tsy maintsy hiasa indray, handoavana ny omaly
ny ampitso sy ny anio, tsy misy voatotaly

ny vadiny aza moa, efa tamin’ny efatra,
no niainga tao an-trano, tena zara raha nipetraka
nankeny anosibe nitarika sarety,
raha tonga aloha mantsy, dia misy asa metimety

ireo zanany indray, izy dimy mianadahy
tsy misy any an-tsekoly, fa miana-draharaha
manaraka ilay zokiny, manapoaka vato
fa maro komandy hono, ilay patro ato ho ato

dia toy izany ny fiainany, tsy misy loko hafa
loko inona koa moa, ankoatr’ilay mijafa
tsy misy lalana mazava, tsy fantatra ny ho avy,
fa miaina ny anio aloha, izy mianakavy.

Dia toy izany koa, ireo roa amby sivifolo,
isan-jato Malagasy, miady an-tanam-polo
tsy misy jery iva, ataon’ny mpitondra
ny ataony no ataony tena lohan’ ampondra
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
813 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2148