Lojika ve (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lojika ve sa izay no fenitra, fifidianana minisitra
milahatra misehoseho, mba ho tafiditra an-disitra
toy ny mitady asa, ka manamboatra diplaoma
dia milaza ho zanak'i …. raha toa ka tsy dia nahoana

Lojika ve sa izay no fomba, fifidianana minisitra
manao « CV » matavy be, amin'izay mba tsy ho gisitra
hoe efa mpanolo-tsaina, nanampy tetsy sy teroa
dia miseho mahalala olona, amin'izay voaray aloha

Lojika ve sa izay no izy, izany tsinona no hitako
ka aleoko manontany, sao diso izay mba famaritako
fa ny an'ny firenena hafa, tsy miseho sy tsy mivolana
dia antsoina mangingina fa tsy misy iray misolantsolana

Lojika ve sa izay no antsika, satria karama be am-bata
ny asam-pirenena mantsy, fiotazana parata
ny drala aloha no mibaiko, izay vao ilay andraikitra
dia vao mahita tsirony eo dia mandrakizay eo te hiraikitra

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1062 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0356