lokolokoy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lokolokoy amin’ny hamamin’ny nofy, ilay tokontany filalaovan’ny alina
Ravadravaho amin’ny horintsin’ny vetso, ka ireo aingam-panahy hivoaka avy lalina
Iaino an’eritra, enjeho eny an’habaka, ilay evaevan’ny fiadanana
Dia ho lafatra ianao, rehefa injao, ilay hasambarana hirotsaka an-tanana

Resadresaho, amin’ny kalo mangina, ilay noanoa kijanam-panahy
Ka ireo haingo manemitra ireo ambiroa, hitondra fihiratan’reo ahiahy
hiparasadrasaka, ireo embona mamy, hahenika soa ireo nofy ho tanteraka
Dia ho feno sy to, ilay fifaliana, ireo laingon’ny kanto hamoa sy hiteraka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
662 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0319