Loooooza (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tohin'ny tantaran-dRasiza ihany ho an'izay nanaraka eee

O ry reto a, avy nareo aty,
fa misy vaovao, hafakely ity
fa nisaraka hono, Ledona sy Rasiza
fa tena leo izy, isan'andro maty viza

lozan-dry Razane,
ilay hoe paoma hohanina
dia nataony ange
fa ny lozabe
tsy nisy paoma tao
dia manga no natao
ka nifotafota
nivadika ho sota

hahahahaha dia nanao ahoana

dia tezitra Ledona
fa tsy nahadona
ka tonga dia niala
tsy nitifitra ny bala
Rasiza nivanitika
sady nisolitika
dia nahazo tehamaina
izay vao tonga saina

hahahahaha dia ahoana

dia noroahan'i lematy
izay no valifaty
azony natao
tsy afaka nanao
hafa ankoatr'izay
menatra sy fay
dia tsy haiko izao Rasiza
hoe any amin'iza

loza retsin'ty, dia ahoana izany
za mantsy nge gaga, ilay nandalo tany
fa nihidy be daholo, na ilay barika vavahady
na ilay varavarana tohanana angady

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : tantara
1165 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308