M.... sy F.... (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy izao rehefa mihaino resaka ny rindrina



M...
Izaho leitsy moa taloha,
indray mandeha na indroa
no iakarany taingenany
avy eo dia tsy hitenenany

F...
Izaho aloha tsy toy izany
F'isan'andro izy tamy,
mitsikitsiky amiko
an-jery izy tena laniko

Izy amiko mizara
ireo lesoka tsy tsara
tsikeran-tenam-bikany
indraindray nge ts'isy dikany

...

M...
Tato ho ato izy niova , tsy haiko aloha izay antony
Na ny joro na ny fihetsiny, novainy ny filantony

F...
Izaho leitsy tena gaga, sy nahatsapa izany
ka manontany tena hoe nisy inona ary tany

M....
F'efa andro vitsivitsy, rehefa iny aho ka tsindriany
dia ivontirihany sady koa tsiniany
iantsoany an'Andriamanitra izay zavatra asehoko
mimenomenona izy amin'ny « eo ho eo » ko

F....
Ny ahy leitsy no tena lalina,
indraindray misasak'alina
be fiavy izy masiaka
mitanjaka am-bika

M...
mangina kely aloha, injay izy fa tamy
fa misy fanasana alehany androany

Dia nangina i M...izàna , nangina i F...itaratra
fa iny ramadama, nitondra hareza fiharatra

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1448 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 24/05/2014 05:54)
inona indray re ny manarak e! !!!!???
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313