Mahazendana sy mahavariana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandrimandry manana aretina, mangingina tsy hay hoe ahoana
Gaboraraka manao izay tiany, ny bevava sisa mitsaona
Ny fifidianana izay nandrandraina, tsy hita mazava ny tohiny
Izay sori-dalam-politika, tsy hita ny vody sy lohany

Ireo lamina sy diary natao, sy ezaka rehetra narindra
Ireo olona izay nosoloina, ireo toerana efa nafindra
Toa vola sy fotoana lany, hiitaran’ny lalao maloto
Tsy misy varany izay dinika vita , vao maika aza toa misafoto

Sa ve tetika efa maty paika, ilay hoe taritaritina
Ka izay zavatra kely mitranga, hozatina sady roritina
Hitombo amin’izay ny fotoana, ny vola mitomboka ihany
Ny bizna misosa any an-tsisiny, ny taim-piraka mbola tsy lany

Ny vahoaka koa moa mampihomehy, milaza fa leo sy efa tofoka
Mimenomenona fotsiny eo, nefa tsy misy mikofoka
Ny ompa anaty no feno sy bobaka, fa tsy hita izay firaisan-kina
Izany no zavatra misy, mahazendana sy mahavariana
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
1001 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0321