Mahereza (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny alahelonao anie, ka alaheloko ry foko
Irony jalinao anaty, iarahantsika mitoloko
Irony ranomasonao, dia toa niloatra avy anatiko
Irony hirifirinao, marary ahy re ka tsy tantiko

Mifanalavitra isika, be ny elanelan-tany
Na izaho na ianao samy tsy mahazaka izany,
Itambarako aminao, ny alahelo, fahoriana,
Noho ity fisarahana, iainantsika anio ry tiana

Mahereza ianao ry tiana, mafy izany tena haiko,
Mahereza foana anefa, ny jalintsika koa efaiko
Mahereza ry fitiavako, mahereza foana akia
Fa izany jaly izany anie, itambarako amin-dry

Mahereza ry olon-tiako, akaro avo ny moraly
Satria raha kivikivy isika, dia vao maika koa hijaly
Mahereza foana ianao, atanjaho izany saina
Mitrakà hatrany hatrany, mbola ho avy ilay maraina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1178 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 10/08/2010 19:44)
Tsy mahazo kivy izany fa tsy maintsy mitraka miatrika ny zava-misy n'inon'inona mitranga
Soarilala ( 10/08/2010 19:45)
Tsy mahazo kivy izany fa tsy maintsy mitraka hatrany miatrika ny zava-misy n'inon'inona mitranga
raozigasy ( 11/08/2010 00:40)
tsy kivy kah, resiresy kely fotsiny indraindray
Soarilala ( 02/11/2012 21:37)
Mahereza ianao ry tiako

Tena manina tokoa, raha nandray ny hafatrao
Efa tsy handriko mihitsy, ny hifamihina aminao
Aoka samy tsisy ho kivy, na izaho na ianao
Fa ho avy tsy ho ela , ny hihaonantsika izao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308