You are here: home > Vetso

Maika aho akia - raozigasy

Azo vakiana?

Tononkalo nampitenenana ny hosotr'i Vero Rajohnson

Maika aho akia Malala
ka tsy nisalasala
nanosika mangina
Ilay saraka nohidiana

Maika aho akia rahavana
ny hitavana fitiavana
ka nalaiko tsiro am-bava
ilay tafy niharava

Maika aho akia ry tiana
ka nalaiko an-tsondriana
ilay omankomana
sara-ravim-pitolomana

Maika aho moa akia
aza ela fa avia
fa he ity lendalendako
maina hatramin'ny tendako