You are here: home > Vetso

Malala - raozigasy

Azo vakiana?

MALALA O!

Malala o ! tiako ianao,
Malala o ! tena tiako
Tsy noho ny endrikao,
izay haingom-pifaliako
Na koa ny bikanao,
voarakitry ny jeriko
Sy izay rehetra anao
mameno, ny ireriko


Fa noho ianao nahay
nahary ny fitiavako
Satria ianao kay
Ilay tiako ho “rahavako”
ireo rehetra efa tiako,
sy zava-niriko
No efa tao aminao,
no maha-Ianao, ilay Tiako


Tana 18/08/90


Hevitra mandeha

Soarilala (02/01/2011 06:45:59)

Tena tiako!!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha