You are here: home > Vetso

Mamo - raozigasy

MAMO

Toaka ve,
hevero ange
izay dikany
sy vitany
raha tsy hoe angaha
mamahavaha
ny tsiahy
ka mampivaha
dia ambara
ny tantara
tsy fambara
sy voarara
he ny mamo
ndeha tazano
ny ataony
sy fanaony ;
fanimpanina
mila vanona
tsy maharay tena
fa mivena,
mirediredy
bedibedy
tsy mijoro
fa mikoro
sy mivarina
tsy miarina
dia mandady
sy mitady
atao tehina
an-kamehina
raha ts’izany
dia amin’ny tany

1990




Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha