Mampirafy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azafady ry malala, raha toa aho ka mampirafy
ka na an'ora na am-potoana, matetika ianao no mihafy
ilay izy moa tsy fidiny ahy, ary tsy fanahy iniako
fa mbola tsoriko ny marina, ianao foana hoy aho no tiako

Aza fondro ry fitiavako, raha mizara roa ny foko
fa tsy voafehiko mihitsy ilay mangala-tsokosoko
ilay miala an-jaikojaiko, eo am-pandriantsika ny alina
rehefa iny ianao fa hitako, renoky ny tory lalina

Aza tsiny re ry vadiko, ilay mandao tampoka maraina
na ilay lasalasam-borona, raha misy resaka ampitaina
fa lasany any foana hoy aho, ny saiko indraindray tsy tana
fa ianao no tena tiako, na any aho matetika tamana

izaho ange raha mampirafy , dia noho ianao no antony
fa ny mamy taminao, zaraiko aminy ny hakantony
ny fitiavako izay feno, natobakao no nosokiriko
ka vao maika mampireda ilay fitia anao adiridiriko

mifona aho akia, malala, nefa mifona mbola hamerina
fa tsy tantiko mihitsy ilay izy raha tsy atsingerina
fa samy tiako ianareo, fa mamelona ny aiko,
ianao sy ny tononkalo, samy tiako samy hajaiko
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2518 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0324