Mampitaintaina (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy maintsy tonga any aminao, ity lalako androany
Ka hosedraiko avokoa , izay loza mety ho tamy
Ka na inona manambana, amin’ny lalana hodiaviko
Tsy misy hahasakana ahy, hamonjy anao ilay notiaviko

Raha mikija izany orana, ka mandifotra ny lalako
Dia hotriariko ny sisiny, ka any ireo rano no avalako
Raha mitoraka ny havandra, mitifitra am-bariraraka
Ny diamangan’ny fitiavako, no hanilika azy tsy hanaraka

Raha mirotsaka tsy miato , an’oram-potsy ny fanala
Hatsoniko amin’ny joalam-poko, ka vetivety dia hiala
Raha mibahana ny zavona, tsy hahitako izay ombana,
Ilay tsikin-tsarinao izay tsinjoko, hanazava azy higodana

Raha milatsaka ny tselatra, dia samboriko ho namana
Hanampy ilay tsela-tokana, fiadiako ety an-tanana
Raha miraondraona izany kotroka, dia hindramiko ilay doboka
Ho bitsi-teny mpamporisika, ilay henatro ho sahy hiroboka

Ny hany sisa tsy ho resy, sy angamba tsy voatohitra
Dia izay mety ho fandavana ahy, rehefa tonga any am-bohitra
Satria na resiko daholo, izay atambon’ity tany
Ny fonao akia mbola tsy resiko, ka mampitaintaina ahy izany
--------
Rohy:
828 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0464