Manambady vazaha (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mme Suisse : Mme Schmid
Izaho ange akia raha nanambady vazaha
Tsy hoe « snobisme » fa izay ny ahy no « choix »
Ny lehilahy gasy mandreraka be
Indraindray manao toetra tsy « civilisé »

Mme Italienne : Mme Manzini
Ny ahy indray akia, iny no « solution »
Ny fahiniko mantsy efa « marron marron »
Leo be izaho ilay fosain’ny bandy
Hoe izay mbola tsy tany dia mandoa lamandy

Mme Allemande : Mme Muller
Ny ahy indray akia, izaho mila milamina
Izaho leo be amin’ilay vady ampindramina
Ao an-trano ihany ange akia izy no an-dry
Fa vao mivoaka dia maro « cheries »

Mme Frantsay : Mme Renaud
Ny ahy indray aloha, tsy hoe tsy tia gasy
Fa izaho mila vazaha amin’ilay taratasy
Ny gasy afaka tsaintsaingohako anie
Raha mangidihidy aho mamonjy « soirée »

Mme Portugaise : Mme Pereira
Ny ahy ry zavavy, tena marina ange,
Izaho indray tsy miainga raha tsy misy « interet »
Rahoviana vao ho tafa raha izay ariary
Raha « euros » dia ho lavitra be ny mosary

Mme Anglaise : Mme Brown
Ny ahy indray izany, tsy hoe kata na bika
Fa any aho mahita ilay « romantique »
Izy kosa tena « gentleman »
Fa tsy sahala amin’ny gasy : ilay maika hanan

Mme Rasoa
Nareo kosa akia aaa !

Maninona ary no manao an’izany
Ny lehilahy gasy taloha angamba izany
Zareo izao akia efa tena mivoatra
Efa mba miezaka fa tsy hita loatra

Ssss
Ny Mme vazaha rehetra
Dia eo indry no raisina , andraso eo i Paoly
Rehefa lehilahy gasy , ntsss !!! mitovy daholo

Hahahahaha

© Raozigasy
--------
Rohy:
3269 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.027