You are here: home > Vetso

Manaova hono - raozigasy


Manaova hono « aerobic »,
dia areno koa ny bika
raha tsy izay ireo sela hita
mifaritra ho « cellulite »

Manaova hono ianao « zumba »
sitrany ahay izy io mba
le fotsy roan- « domino »,
mivadika « abdominaux »

Manaova hono ianao « jogging »
dia mba mahitsy anaty « jean »
ilay « culotte de cheval »
ka mba haneva rehefa alina

Manao hono ianao « regime »
dia manaova koa re « gym »
mihinana « soupe mange graisse »
dia ilay tavy koa ho resy

Manaova hono ianao « yoga »
makà saina, mitogà
amin'izay ilay « stress »
vetivety dia ho resy

Tandremo anefa tena marina
ataovy tsotra f'aza itarina
sao lasa « anorexique »
ka manjary miaiky isika

Hevitra mandeha

Mirasoua (21/07/2014 15:39:08)

Miaiky mits sika kah

Soarilala (22/07/2014 12:34:59)

Ary tena arakao tsara daholo izy izany an!