MANDRAKIZAY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iverenako apetraka an-tsoratra eto indray
Ilay sonia nifamatorana, fa hoe mandrakizay
Ilay tantarantsika roa, nifanaiky tamim- boady
Hoe lamban’akoho no fetra, toy ny fato-matin-tady

Iverenako ambara aminao eto ihany koa
Ilay teny nifanaovana, fony ilay isika roa
Nifanaiky teo anivon’ny vahoaka sy tontolo
Hoe na jaly io na faly, hozakaintsika roa daholo

Averimberiko an-tanisa, ireo teny mamy izay tianao
Ilay teny mbola hotanisaiko: Mandrakizay ho tiako ianao
Ka na inona miseho, ka na inona mitranga
Ilay fitiavantsika roa, hamirapiratra tsy ho vanga

Kanefa raha tsy averiko aza, efa hainao ny ato am-poko
Fa ilay mena redan’ny fitia, mandrakizay tsy hiova loko
Fa vao maika hihombo fàna, ary koa hitombo hery
Mandrakizay ho tiako ianao, ry fitiavako irery
--------
Rohy:
1288 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313