Marina ny anao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hasarotam-piaro, ekeko ry sakaiza
Hoe ilaina ihany, fa lalana mitaiza
Kanefa tsy ekeko, ilay diso lasa loatra
Fa mampihidy an-trano, sy tsy mampivoatra

Ny hasarotam-piaro, ekeko hoe fefin-tsaina
Tsy hampisodisody, ireo zava-tsy ilaina
Sady fiarovana, no sakana sahady
Ho an’ireo rehetra, tsy te handia ny vavahady

Marina ny anao, ary tena marina
Ny hasarotam-piaro, tsara raha tsy itarina
Fa rahalahim-pitia, miaro sy manafatra
Fa io fitiavana io tsy misy tonga lafatra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
994 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0368