You are here: home > Vetso

Masiaka ny tsiahiny - raozigasy

Azo vakiana?

Ho setrin"ny tononkalon'i kiriah : Tsy tony

Sento sasak-alina
Rako-betso lalina
Mandrovi-pahanginana
Anaty fivonkinana

Vadibadi-tory
Feno nofy ory
Mampivoa-dinitra
Toa vetso mahavinitra

Loha tsy mety lavo
ondana atao avo
sempo-tsy avy miaina
Ka ela vao maraina

Ireo no natambany
Ho bemirain’ny lambany
Sy  tafin-torimaso
Mbola feno ankaso

Ireny no narakony
Ireo kiaka feno akony
Nandrovitra ny fony
Tiany mba afoiny


Satria

Ny hatory am-pilaminana
Anaty fahanginana
Tsy vitan’ny fanahiny
Masiaka ny tsiahiny

Hevitra mandeha

Tikwel99 (17/04/2013 21:24:24)

tiko be...izaho aloha di mpankafy ny tononkalon'i Raozy e! Tohizo foana fa mahafinaritra

raozigasy (17/04/2013 23:21:44)

mankasitraka ee

kiriah (22/04/2013 18:17:13)

misaotra amin ilay setriny e! tsara mihitsy

Hametraka hevitra

Midira aloha