Matoria ry zanako (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoria ry zanako, dia manofisa mamy, dia afaha havizanana
Raha mbola tsy rendremana, dia etsy koa safoiko, ny lamosina sy tanana
Hihirahira aho, na dia am-peo mivalana, handrotsiako anao
Sa ve tsindritsindriako, ireto ranjokely, torovan’ny lalao ?

Matoria ry zanako, dia aleo aho hirediredy, ny ampitsotsika
Hisangisangy indray, hiaraka hanao sary, dia hanao alikalika
Hovitaintsika mianaka, ilay sambo kilalao, alefa eo an-tetezana
Dia rehefa dila any, dia ireo isika roalahy, lokim-pihomehezana

Matoria ry zanako, dia aleo aho hieritreritra izay sakafonao,
Vao vary ny androany, ny « frite » koa be menaka, ka « coquillette » no atao
Inona ny laoka, akoho ve sa hena, « saumon » sa « boulette »
Rahampitso aho manontany, misy ao daholo ireo, fa izay tianao dia mety

Matoria ry zanako, soava mandry ianao, dia mahazoa tory
Izaho hanao raharaha, ao ambadika ao, tsy ho aiza aho akory
Dia io ilay anjeliko, poa toa izay dia resy, nahazo torimaso
Dia iny aho fa nivoaka, nanidy varavarana, nijaiko toa malaso

Natory tao ny zanako

© Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1702 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 26/09/2014 23:27
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311