Maty (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATY

Rindrim-bato, tafo vato
eny hatramin'ny fandriana
vato sisa hatoriana

Lamba rotika,nofo potika
Ilay vatanao natanjaka
lasa taolana nihanjaka

Anaranao, fiainanao
nivalona tsikelikely
tantara ho an'ny zafikely

Izany sisa voatanisa
Kanefa resaka ihany
fomba firesaky ny tany

Fa aminay ny Dadanay
dia mbola velona ihany
ary mbola mihanihany

Ao an-trano, tsy angano
fa tsaroanay lalandava
isak'izay misoka-bava

Raha mivavaka, tsy voaavaka
fa mbola miaraka aminay
toa mbola velona indray

Ny tonon-kira raha mihira
dia ny kalony ihany
no ventesinay hatrany

Rehefa i Neny, tsy miteny
ary lasana ambiroa
dia indro zahay fa taitra koa

Ka tsiaro , mifangaro
alahelo, fahabangana
lavaka izay mangotana

no iainany sy isainany
f'efa lasa tsy hody intsony
ilay vady tao am-pony

ka izay, izahay
vao mba tonga saina indray
fa efa maty Dadanay

16/06/02
--------
Rohy:
4714 2
Hevitra mandeha
sejianis ( 08/08/2007 12:47)
Tsy maty lay dada kah!
Ao am-po foana ny tsiaro azy!Ny dadako toy izany e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031