Mbola misy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola misy nofinofy tsy voarindra
halatralatry ny fo mahery sangy
Tiako ho nikambanana aminao indrindra
Fa saingy tsy tafita teo am-bangivangy

Mbola misy ambin-ketsa tsy voafindra
Tsy mbola resin’ny haintany izay nisesy
Ka amin’ny sahanao no maniry indrindra
Handrobona ho voam-pitia mpandresy

Tsy sanatria hoe te hanokatsoka-pery
Fa manembona anao ka verivery

ho setrin'ny tononkalon'i Herintsoa Tahirimanana hoe Misy tavela
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
778 0
Hevitra mandeha
mikous ( 11/05/2011 10:20)
Eny mbola misy fa tsy vazivazy,
topi-maso tena ahatsiarovako azy!
Misy koa fanantenana indraindray,
Fa mbola hifanojo zany lalanay
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1069