MBOLA TSY AMPY VE RY TANIKO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA TSY AMPY VE RY TANIKO

Dia mbola tsy ampy ve ry taniko, Ny gidragidra politika
No hatramin’ny “alanao”, no hanaovana “ady alika”
Dia mbola tsy ampy tsara ve, ny fijaliana iainanao
No ilay “ala” hany sisa harena, no hanaovana ny tsy fanao

Dia mbola tsy ampy ve ry taniko, ireo harena norobaina
No hatramin’ny zavaboary, no simbaina sy vetaina
Dia mbola tsy ampy tsara ve, ireo olo-novonoina
No ilay ala sarobidy , no amidy sy bodoina

Dia mbola tsy ampy ve ry taniko, izay mangidy nosedraina
No ireo vala voaaro, no potehina zimbaina
Dia mbola tsy ampy tsara ve, ireo fananana voaroba
Ka ny alan’ Marojejy, no indro atao varo-boba

Dia mbola tsy ampy ve ry taniko, ireo zioga izay zakaina
No hatramin’ny biby an’ala, no vonoina sy sotaina
Dia mbola tsy ampy tsara ve, ireo ota izay natao
Ka ireo faritra arovana, no ravà na tsotr’izao
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
853 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
Zozoro ( 23/04/2009 18:23)
Tsy ny Taniko no anontaniako fa ireo antsoina hoe : mpanjakan'ny zavaboahary ...
raozigasy ( 24/04/2009 00:08)
...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0545