You are here: home > Vetso

Miaiky aho izay - raozigasy

Azo vakiana?

Miaiky aho izay

Biby tsy manan-doha tsy mandeha
Filoha tsy manan-tsaina ndeha mandeha
Mpitondra sadasada, maramara
Politika  Malagasy « j’en ai marre »

Ny candidat hofidiana be dia be
Ny olona hifidy “illetré”
Ny propagandy tobaka “etalage”
Ny olona mihaino  tsy « à la page »

Ny programme tsy hita izay mazava
Ny izaho fidiana, nefa vazavaza
Fifanaratsiana no bobaka sy re
Na ny sofiko efa leo tena “bouché”

Kanefa ny vahoaka toa milamina
Ny efa manana moa mihaminkamina
Ny mpitrongy misambotra valala
Amin’izay tsy mandanindany drala

Izany sisa sary hita tazana
Ankoatr’ireo tany ngazangazana
Namidy tamin’ny firenena manam-bola
Sy ny alam-bois de rose solasola

Dia ahoana moa izany ny ho avy
Ny androany moa efa vita sy matavy
Izao ve ilay firenena hoe hilay
Dia mangina sy miaiky aho izay