Mifona (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny, ezahiko halalinina,
Ireo alahelo nofihinina
Eny ezahiko takarina,
Ireo verimberin-teny farina
Eny ezahiko hofakaina
Ireo vetsonao ry aina

Ao fa hiezaka aho hisaina
Ireo zavatra mandreraka aina
Ao fa hiezaka aho hahalala
Ireo harerahanao ry lala
Ao fa hiezaka aho hamototra
Ireo fihafiana mampifofotra

Mifona aho raha hadisoako
Ny tsy fahalalan’ny foko
Mifona aho raha toa ka otako
Ka ny disanao tsy hotakotako
Mifona aho raha toa ka tsiniko
Ka ny dinikao tsy diniko

Fa anio aho izao efa haiko
Ireo fihafianao ry aiko
Fa anio izao efa tsapako
Ireo fiaretana tan-dapako
Fa anio izao efa hitako
Ireo hetanao tsy vitako

Ka ho an’ny ampitsotsika
Aleo tontolo tsy hasiaka
No hiainantsika indray
Fa serasera hifandray
Ireo lasa diso ndao ovaina
Ireo fondro nisy hohatsaraina

Ka raiso re ny fiverenako
Ireo tsy vita nanenenako
Raiso re ireo fifonako
Ekeo koa ny fitonantonako
Ny alahelo andao fafaina
Ny fifandraisana hatsaraina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1304 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1267