MIFOSA VEHIVAVY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ilay tononakalon'i Nyeja hoe "Mifosa lehilahy"

MIFOSA VEHIVAVY

Avia ialahy ry Raozy aty
Jereon’ialahy iry sipa iry
Na ny bika na tarehy
Tsy hoatry ny tena tsara ve !!!

Jereo fa hitany isika
Dia mody amboarina ny bika
Dia mody aolana ny volo
Nefa tetika daholo

Dia izy izao raha anantonana
Dia ataony hoe mitonantonana
Nefa izy toa misarika
Amin’ny maso toa mangarika

Andao ange mody hikisaka
Ka eny akaikiny hitampisaka
Dia mody tonga dia mitafa
Sady tsy hihafahafa


Ialahy ve leisy sao dia adala
Ianareo ange tsy mifankahalala
Nefa ialahy toa sahisahy
Ataovy izay ataon’ialahy

Na izaho koa aza moa
Mba tena taitra ihany koa
Tsara mihitsy ny fijeriny
Fa ny bikany no tena heriny

Tsy omeko tsiny ihany ialahy
Raha toa tsy miahotra na miahy
Mandehana ary hoe izato izy
Hanantony ilay ankizy

Aleo izaho ho eto ihany
Fa andana ialahy irery no any
Izaho matahotra ho voarora
Na voaeso sy voakora

Zay ilay tena mahavoa
F’angaha io sipa kitoatoa
No ataon’ialahy izany
Ho eny aho fa izay lalany any

Dia mijanonà eo ialahy
Izaho tsy hihemotra fa sahy
Raha tsy mety atao ahoana
Izay no tsy natao hihaona

Fa izao anefa no lazaiko
Ny mpitanina tsy ilaiko
Fa rehefa mety ny ahy na atao
Dia aza mialona ianao

Aleo ary amboarina ny paozy
Sao dia tsy mety eo ilay kaozy
Ka iny ialahy vao hihomehy
Izay fa aleo ary aho handeha ...

Tsofin-drano ialahy ry akama
Mahasahia fa aza mihàna
Io izy mangata-maso
Lasa izao fa ts’isy andraso

Jereo ange zato fijeriny
Mahate-haka azy an-keriny
Jereo ange ilay harikarika
Fa tena manintona misarika

Jereo ilay tsiky sy ny molony
Jereo ny maso sy ny orony
Jereo ilay volo misahondra
Mahate-haka sy hitondra

Dia iny koa ialahy tsy tana
Izaho sisa nihanahana
Tsy hilaza ve ialahy izay tohiny
Alamino aloha ny fanombohany

...................
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka - Hatsikana
3206 2
Mpakafy: haraldtohaina - ontsy
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 09/04/2006 14:10)
tsara ny tononkalo!
raozigasy ( 09/04/2006 14:14)
misaotra an'i fiaritiana
chipie1 ( 09/04/2006 16:33)
ry raozigasy zany nge ka efa mpifosa mintsy e! lol
mety ka !
pissoa ( 11/04/2006 18:39)
Tsara Raozy an! Mahatsikaiky ilay izy ...
raozigasy ( 28/04/2006 20:59)
Misaotra anareo rehetra mpankasitraka e !
fitiatantely ( 28/11/2008 13:22)
tsara le izy fa saingy lava be de sarotra atao tsianjery.Mafinaritra eee!!!
raozigasy ( 28/11/2008 15:06)
misaotra anao e
dia mba mianara izany mitadidy e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0315