Mila... (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mila …

Mila saina aho, mila ny sainao
Hanampinampy ahy, hiara-hidinidinika
Hijery handalindalina, ireo vaventy sy madinika
Hifanolo-tsaina, amin’ny asa sy ny ketrika
Hifanohan’aina, amin’ny jaly sy ny tretrika

Mila sofina aho, mila ny sofinao
Monja indray mandeha, hihaino ny taintainako
Fotsiny androany, handre ny fitarainako
Hizarako vao mifoha, ny resaka marainako
Hanongilan-tsofina, ny rediredim-piainako

Mila maso aho, mila ny masonao
Na fotsiny hijery, ny manodidina tontoloko
Na vetivety hibanjina, ny fibangoko ny voloko
Na kely hanopy maso, ny akanjo izay fisoloko

Mila molotra aho, mila ny molotrao
Hamarimbarina ahy, any an-tontolo tsy hita
Hampangina ny hadalako,na dia indray mipika
Hanorokoroka ahy, tsy hahafahako migika
Hanamaivamaivana,ilay fiainako mivika

Mila tanana aho, mila ny tananao
Hamahatra,hamikitra,eny hifondafonda
Tsy mila hafahafa, tsy mila fombafomba
Toy ny entin-javatra,avy tongatonga
Mitondra tsapatsapa, sy somongamonga

Mila fo koa aho, mila ny fonao
Hampiaka-tosi-drà, hampidobodoboka
Hampivoaramena, hanaitra roboroboka
Hampihenjankenjana,ireo hoza-boboboboka
Hisolo asa ny alikaola, ilay rano tsy fiboboka

Mila vatana aho, mila ny vatanao
Avy hatrany tsy hihafa, hizara ny hetahetako
Hifankahazo vira, amin’ny vetavetako
Handray ilay andry tantana,sy henjana niaretako
Tsy hisalasala hisitraka, ilay donan-tetatetako

Mila tongotra aho, mila ny tongotrao
Ka lalana iray, no hiarahana mandia
Ho hirahira iray, no hizarana dihy
Tanjona mitovy, no kendrena raha mikisaka
Ampitso lavitr’ezaka,no hifikirana an-tampisaka

Mila olona aho,eny mila anao
Hiaraka hamakivaky, izao tontolo izao
Ny zavatra rehetra, iarahana manao
Na andro mibaliaka, na ora-mitatao
Tsy alina tsy antoandro, fa isan’andro izao

Mila olona aho, oh… nefa efa nahita
Lavitra, akaiky, tazana tsy hita
Izy irery mantsy no tena mahavita
Raha izy izao no teo, … izaho efa tafita

Oh… mila anao ange aho e

© Raozigasy 22/05/2019
--------
Rohy:
1236 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0285