Miomàna ry firinga mievotra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miomàna ry firinga mievotra

Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango
Nasian’ny amboakely tiana, Tamin’ny teny mandango
Tratran’ilay mampandry adrisa, sy ireo lango malefaka
Taraiky vao tonga saina, ilay angola efa nivadika tefaka

Tena tapi-dalan-kaleha, toa sokina nanani-bato
Kanjo diso ny teti-panorona, fa vilam-bava ilay mpitari-bato
Tsy nahalala izay lala-nodiavina , toy ireo faty entin’alina
Ka kenda vao domy aho ranaotra, kanefa efa nihitsoka lalina

Tsimbotry voasambo-jaza, manaraka am-bokony tsy fidiny
Hay alika jamban’ny taolana, ilay narahina ka nanao ny didiny
Izao tsy afaka ny hitodi-doha, fa nitsilany nandrora
Tsy nety iny ka atao ahoana moa, tsy maintsy zakaina ny akora

Kanefa izao no hafatra kely, ny vero raha taingenam-pody
tsy folaka ange fa mandefitra, ka tandremo tsy zaka ny tody
ny angidina raha miriorio, tsy mahalala izay mba fiafara
kanefa tsy maintsy any an-kady, ny tendry voatokana ho anjara

ny loharana raha toa ka lotoina, ny hetaheta main’andro tsy ho tanty
ny kamboty raha toa ka botoina, mahatantesa ilay vali-faty
ka miomàna ry firinga mievotra, fa ny riaka ho avy tsy ho ela
Tantara ratsy sisa hijanona, efa dila ilay hoe mifamela
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
933 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0317