Mipololotra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mipololotra am-bariraraka, ato anatin’ny vinaniko
Kamban-teny maromaro, atsoniky ny ainga adaniko
Mirafidrafitra an-korontana, tsy mety lasa fehezan-teny
Fa mifamingana an-toerana, toa ireny te hirima ireny

Mifanipaka toa adrisa an-karona, ireto hevi-teny mifanohitra
Ireo miaramilan’ny literany, mitady hananika ny vohitra
Misangasanga te ho lohany, hamelon-gadona hidobohany
Ka izay vinany te hiboraka, avy hatrany dia hirobohany

Misetrasetra an-dolam-peo, ireo fanahy manani-kanto
Miaingaainga am-panombohana, miedinedina fandranto
Ny tafasiry sy kabariny, mitondra tatitati-bolana
Ny ala-tsiny sy ny ranjany, maikamaika te hisolana

Mihendratrendratra fijery, ilay vaikam-betso mikorotsaka
Ireo tsofoka sy tambin-teny, mihakinga sy mipotsaka
Ka tsy maharaka ny tanako, manendry tondro an-tsolosaina
Mandrafitra azy ho tonon-teny, aparitaka zaraina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
763 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717