Misaotra tompoko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra tompoko

Nofenoinareo ny lapa ka izahay faly, tretrika
Nankasitrahanareo ireo masaka voaketrika
Tehateha-tsy nitsahatra, no nentinareo nisaotra
Nasehonareo tan’horakoraka, fa ianareo koa faly loatra

Nomenareo ny voninahitra, tam-panontronana anay
Napetrakareo koa ny toky, hoe raha tonga ange izahay
Dia tsy hoe tonga fahatany, fa tonga kosa haka fy
Sy hianoka ny mamy, « Isika roa » n’ny fitia

Koa teny tsotra nefa mamy,
mamintina kabary lava
Teny tsotra kely ihany
Atao an-teny sy am-bava

Saotra, sitraka sy telina
No atolotra anareo
Hihaona indray raha mbola velona
Afaka taona vitsy eo

MISAOTRA TOMPOKO oooo

© Raozigasy 02/05/2019
--------
Rohy:
761 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.03