Misy fahanginana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Riva manao hoe Fahanginana

Misy fahanginana feno hiakiaka
Misy fahanginana manafina sariaka
Misy fahanginana manakom-pahantrana
Misy fahanginana manolo hafanana

Misy fahanginana, feno fandeferana
Misy fahanginana, misaina am-piheverana
Misy fahanginana, manao adisanina
Misy fahanginana, mangina mody fanina

Misy fahanginana, feno fitrakana
Misy fahanginana, manda ireo lalàna
Misy fahanginana, fiombonam-bavaka
Misy fahanginana, fa feo anaty lavaka

Misy fahanginana, ilaina ka atao
Misy fahanginana,noho izao sy izao
Misy fahanginana, tsy te hangina intsony
Misy fahanginana, anaty lonilony

Misy fahanginana, angamba tsy henonao
Misy fahanginana, angamba tsy ho anao
Misy fahanginana,angamba tsy mangina
Misy fahanginana, tsy tianao valiana
--------
Rohy:
1087 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308