Mitady rima (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niezaka aho nitady
Rima mba hiady
Amin’ny anaranao
Nefa hatramin’izao
Tsy mety mba nahita
Angamba tsy ho tafita
Hoy ny eritreritro
Ny hafatra heveriko
Ka ny rima hitako
Dia ny fangitakitako
Rehefa iny injao
Izaho hiantso anao

Dia rima adaladala
Te hiantso anao malala
Anatiko ao mangina
Tsy sahy fa sao dia gina

Dia rima falifaly
Fitia te hifamaly
Hangalatra fitia
Any aminao akia

Dia rima nofinofy
Hoe mitositosy
Ka “isika roa” midola
No ataoko Angola

Dia riman’ny fotoana
Nahatsiaro ilay nihaona
Vetivety monja
Fitiavako nanonja

Dia riman’elanelana
Namelona, namelana
Fitiavako tanaty
Fitia tsy mety maty

Dia rima hampirima
Fitiavana mangina
Zaraiko fa tsy tantiko
Miboika avy ao anatiko
Ireo no rima hitako
Ka teo no nofaritako
Nalefako ho anao
Izay tao am-poko tao
Mbola hiezaka aho
Hitady rima vao
Tsy hihafahafa
Hampahatsara tafa

Paris 16-06-2004
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
5398 1
Mpakafy: raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0364