MITADY VADY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Henjana leitsy ity tokana ity,
5 taona izay no teto Paris
tsy nahita olona izay sahaza ahy,
ny gasy toa miavona, ny vazaha izaho tsy sahy

Nandramako leitsy ny internet
iny hono tena hahazahoam-betivety
ny volako fotsiny no lany teo
manao fita-bitro daholo zareo

Nandramako koa hoe nitety soirée
ny « single » hono any tena be dia be
ny CB-ko fotsiny ny nafana nandevy
tsy hita ny sipa vao lany ny revy

Noteteziko koa ireo fiangonana gasy
sao dia mba any no tsara ny pasy
izay mba tiako rehetra efa « reservée »
ho an'ny havan'ny diakona sy ny katé

Nidikidirako ny « Association »
sao dia any no « poins » ny « action »
tena feno tany, fa saingy efa soara
ary ny azy avy hatrany dia revy « cougar »

ka tapaka ny hevitro fa ho any an-tanàna
haka sipa tanora hataoko madama
any hono leitsy tsy mila mitady
vao hoe avy any an-dafy dia mahazo vady

Vao mampiseho « passeport » vazaha
dia ialahy no tsy maharaka raha ny « choix »
asiana « style »teny vahiny
mandroaka ialahy farafahakeliny dimy

aleo aho hody mba hitsapa vintana
fa raha « euro » hono, mahazo ny fintana
miverina eo aho ho hitan'ialahy
mitondra ny manja, natakalo « visa »



izay leitsy aloha fa handeha hikatsapy
ny « billet » koa mbola atao « credit »
ny vola hoentina mbola blem
hanamboatra « dossier » amin'ny CETELEM

ny olana kely izao amin'ny afera
tsy maintsy hikozy amin'ny « colocataire »
asa leiry na hanaiky na tsia
ilay 20m2 ny anay tena « petit »

Izay leitsy aloha fa omeo « bonne chance »
izaho sy ilay vady hakaty France
hijabaka aho dia hi »croise les doigts »
rehefa any Dago aho mi-skype am Toi

(hitohy)

© Raozigasy
--------
Rohy:
3322 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0258