Mitaraina ny alitara (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitaraina ny alitara

Mitaraina ny alitara
Efa niova ny tantara
Izy tsy afaka hitsara
Ka tiany ezahina ambara

Taloha mantsy, eh … taloha tokoa
Lahy sy vavy olon-droa
No namonjy ny alitara
Rehefa hanamasina ny Anjara

Ankehitriny niova izany
Miodina tokoa ny tany
Tonga mamonjy miakatra eny
Lahy sy lahy mifanao “Eny”

Ireo samy vavy koa tsy ferana
Fa mandalo sy miserana
Satria moa mifankatia
Sy vonona ny ho doria

Ireo ety ivelany mijery
Toa te hikiaka, te hanery
Tsy mety hono fa ovay
Toy ny fanao hatramin’izay

Ireo “olon-tsotra” etsy andaniny
Avy mamorona ny akaniny
Tsy misy miditra am-piangonana
Nefa manangana ankohonana

Ny taha-tombom-pahazotoana
Mihamihena, mihafoana
Hamonjy tranon’Andriamanitra !!!!!
…… ndao hilamaody hanimanitra

Zary fisehoana sisa
Ilay ambiny an-tsalan’isa
Eny e … lasa zary fombafomba
Ho an’ireo mahalala fomba

………

Ireo mompera sasany aza moa
Betsaka ny niova fo
Mahita ireo tsy manan-tsiny
Dia sahy manimba virijiny

Dia nitaraina ny alitara
Noho ity fiovan’ny tantara
Izy hono anefa tsy hitsara
Fa fotsiny hoe mba te hizara

HAFATRA
Izay zavatra voalaza etoana
Tsy asiana resaka “Finoana”
Tsy resaka hoe “Malala-tsaina”
Fa fiofon’ny fomba fiaina

© Raozigasy 03/04/2019
--------
Rohy:
857 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.032