Mody hoe (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe "Mitovy ihany"

Io ianao ry Dafy Noely, mody hoe resa-kena
nefa raha halalinina, fakaina sy jerena
dia ireo fanilahana olona ataon'ny saranga
sy sarintsarin-toeran'ny fiainana no aranga

mody hoe kotoleta, tsy mety mifangaro
nefa milaza miavaka, ireo tsy « besinimaro »
mody hoe taovan-kena, mody hoe tongotr'omby
nefa te hilaza hoe misy miaina mitrotrongy

mody hoe trafotrafony, mody hoe ati-doha
nefa milaza an-kolaka, ireo tanora vao mifoha
mody hoe fanangany, mody hoe varanga
nefa ange dia sarin'ny elana sy banga

mody hoe milahatra, fa hifarana vilany
nefa manaitra ihany, ny saina haminany
hoe maninona moa re dieny eto an-tany
raha toa mifanasoa, sao mba mety izany ???
--------
Rohy:
1444 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0306