Mpanjono - raozigasy
Azo vakiana?
Fomba fijery ihany ny ahy fa tsy hoe natao hiadiana amin'ny mpanjono akory an !!
Nodinihiko ihany ilay hoe manjono
toa hakamoana fa tsy hoe honohono
fa miainga maraina, dia mitanina andro
mitazana kankana, mandany andro
Tsy hita mazava hoe fanatanjahana
na saina na vatana, hoe misy katsahana
fa toa resa-danakà sy fakana aina
no tena lahasa, sy tena ilaina
Ny tena mahafinaritra, iavahany indray
indraindray misy labiera, indraindray misy divay
indraindray tsakitsaky, indraindray tonontono
na koa mofo lasary, natao tsara fono
Izay trondro mba azo, tsy hoe be am-pandraofana
hahavitana sakafo ka hoe azo ilaofana
fa tsimpona kely, nitsikian'ny vintana
izay nifanandrify tsinahy tamin'ny fintana
ny ora lany , maherin'ny folo
tena lany tany, ny andro iray tontolo
raha zavatra hafa angamba no natao
efa nahavitana an'izao sy izao …
kanefa moa io samy manao izay tiany
raha izaho no tsy tia, aza omena tsiny
io moa samy manana, izay fomba fijery
ny hevitro hevitro izaho samirery
Mombamomba
Mpanoratra : raozigasy

Nampiditra : raozigasy
Daty : 14/03/2014
Mpamangy : 713
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Orohy aho akia malala aTratry ny taona 2020 Ho
Gaigy be
01 Novambra 2019
Ry zalahy sy ny sasany
Natahotra
Peratra
Un jour mon fils tu vas m
Fan Zone
Ialahy