Nahoana re (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana re, no navelantsika
Izato fotoana, hanasaraka antsika
Izao izao isika, samy mangatsiaka
Tsy misy hafanana, sy johary baliaka

Nahoana re, no natao an’izany
Hoe misy misaraka ny eto an-tany
Izao izao isika, samy manjoretra
Aizin-ngalingaly, ny zava-drehetra

Nahoana re , no tsy afaka mihaona
Tsy misy mandevina, nefa misaona
Izao izao isika, samy mangingina
Tsy mahaloa-bava, fa varimbariana

Nahoana re, nahoana loatra
No misy ny fefy tsy hahafahana mihoatra
Izao izao isika, samy voafehy
Rava ny sangy, ny tsiky, ny hehy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1068 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0324