Nakimpiko ny masoko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nakimpiko ny masoko dia hitako ianao
nanaisotra miadana, ireo tafy sisa tao
dia avy eo henoko fitempo, henoko fisefo
ilay ainga avy ao anaty, efa tsy marefo

Nakimpiko ny masoko dia hitako ianao
nampanadino ahy izao tontolo izao
nampiaka-maripana, nampiaka-dinitra
nampirongadrongatra, ireo heta izay tsy vinitra

Nakimpiko ny masoko dia hitako ianao,
mitondra sangisangy, mivimbina lalao
namenoantsika, ny bangan'ity alina
niitatra ny saiko, o !! henjana sy lalina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1022 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783