NANDALO IANAO DIA NISERANA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i ZOKY hoe NANDALO IANAO DIA NISERANA

Nandalo ianao dia niserana

Ny volo nahifika tsy aritra
Toa rambon’omby mandroaka lalitra
Nefa nampivaivay ny afo tanatiko
Ka ilay hafanana tsy tantiko

Nandalo ianao dia niserana

Ny masonao nitopy niharo harika
Kanefa toa vanja misarika
Sy kopaka ary tsoka nandrehitra
Ilay forohina anaty forehitra

Nandalo ianao dia niserana

Ny molotrao jereo mena fify
Nasianao loko manify
Nefa nataonao mangirana
Ka tonga ny foko dia kirana

Nandalo ianao dia niserana

Niniako nojerena manatrika
Ireo tratra nanao jery atrika
Ka saika samy jery atrika isika
Tao anatin’ny indray mipika

Nandalo ianao dia niserana

Ny akanjonao mampidera takiba
Ka ny masoko tena niliba
Ny saiko tena lasana lavitra
Izaho efa mitady tsy ho avotra

Nandalo ianao dia niserana

Niselona kely dia dify
Ilay bika nirako-manify
Maneho ny hakanton’ny voatra
Izaho nefa tsy afa manoatra

Nandalo ianao dia niserana

Dia noseranin’ny saiko adala
Satria izaho koa mahalala
Fa ny anjely izay latsaka an-tany
Dia naloan’ny lanitra izany

Nandalo ianao dia niserana

Narahiko maso avy aoriana
Ilay fidola mahabe faniriana
Sy nampientanentana anaty
Mahabe fahotana mahafaty

Nandalo ianao dia niserana

Nivesatra fakam-panahy
Nitoraka voa mahatsiahy
Fa ny olona vatana ihany
Lalan’ny fiainana izany

Nandalo ianao dia niserana

Ny eritreritro tsy azoko ferana
Ny rediko tsy misy andeferana
Ka aleo hanaram-po
Ny maso , ny saina , ny loha

Nandalo ianao dia niserana

...
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1351 2
Hevitra mandeha
nyeja ( 25/07/2006 06:56)
nandalo marina izy dia niserana a
mahereza re ry raozigasy a
Ny Eja namanao
zoky ( 25/07/2006 12:25)
misaotra an 'i raozigasy, fa hafa ihany rehefa vetson'i Mpanakanto ny NANDALO IANAO DIA NISERANA, tena milay,tsara e! misaotra sy mankasitraka, tohizo fa tsara e!Mahereza
raozigasy ( 09/08/2006 10:32)
misaotra an'i Nyeja sy zoky izay tena samy ZOKY tokoa eo aminj'ny fanoratana e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0251