NANGORINTSINA 2 (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANGORINTSINA

Nangorintsina aho tanaty nofy, nahita anao niova sata
Nihoron-koditra indray, ny tanatiko toa mahatsapa
Fa raha misy fiovana , ny fihetsikao, ny vatanao
Dia haiko tsotra izao ianao, fa tsy hilaza vaovao ,

Nangorintsina aho, tanaty nofy , nahita anao kizitinjitina
Nihararetra ny tanatiko, nahita anao tsy ilay mifintina
Fa ianao niova bika, tsy ilay matavy ka masiaka
Fa ilay ianao mitondra aina, ilay nofinofiko hoe antsika

Nangorintsina aho , tanaty nofy , na dia mbola te hizara
Na ny anarana ho fidiana, na izay lokon-trano tsara
Na ny sakafo fandrarana, kanefa haiko ianao tsy tana
Na ny ketoketoka ho avy, na ny bedibedy fandrarana

Nanonofy aho hoe izany, no fiainana iainako anio
Ka ireny nofy adala ireny , no nahatonga io horin-koditro io
Na dia efa nanamboatra, eritreritra sy saina
Dia mbola misy ny takaitra, mankararirary ny aina

Iriko anefa izato nofiko, na dia nofiratsy ho ahy
Dia iriko hotanteraka aminao, ho to tsy amin’ahiahy
Ka izay tsy vitako sy ianao, ireo tsy vitantsika novitaina,
Dia hotanterahinao any, ka ianareo no hanome aina

Mbola tso-drano hatrany hatrany, no atosako omeko
Ho anao, r’ilay tsy foiko, ny anjarako efa nekeko
Satria efa fantatro hatry ny ela, fa tsy navela hiara-dia
Ny tantarantsika roa, eny na dia nifankatia ....
--------
Rohy:
1613 2
Mpakafy: mickellia 06 - evakely
Hevitra mandeha
evakely ( 31/08/2006 15:52)
Tsara be ilai tonokalo, tohizo fa tsara
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0358