Nataoko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nataoko ho voninkazo, ho ravaky ny foko, izany laingonao
Kanjo poa toy izay, dia maina sy nalazo, ireo kantony nandao

Nataoko ho volam-peno, hanaingo ny somambiko, izato taratrao
Kanjo afaka andro vitsy, dia nitanilanila, ilay fenomananao

Nataoko ho voankazo, hitondra tsirom-piainana, ary hamamiana
Kanjo masa-doatra, poa toa izay dia lo, ka tonga dia nariana

Nataoko ho lamba hamàna, handrakotra ny foko, ngolim-pitiavana
Kanjo lamban-tsaona, nanampy trotraka ahy, ny fisianao rahavana

Ka izao no teniko, avy dia anteriko, ka henoy tsara
Tsy mety ny amintsika, ka aoka re ho vita, fa efa tsy anjara
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
833 0
Hevitra mandeha
tiarah ( 19/08/2010 07:00)
Ilay fitiavantsika nataoko mba haharitra
Vetivety teo , nitangoronan dalitra
Ilay fitiavantsika natako mba ho to
Mamy, marikivy toa lasa mankando

raozigasy ( 19/08/2010 22:21)
ilay fitiavanantsika, noheveriko ho doria
hay ka mora lefy, rava fa nalia
ilay fitiavantsika, noheveriko ho lafatra
kanjo poa toy izay, dia nomenao ny hafatra
ilay fitiavantsika, noheveriko hoe mba top
kay fitia bombina, mora mi-flop
ilay fitiavantsika noheveriko ho milay
kay ianao no fopla, sy masoso-t..ranay
ihihhihihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0309