Ndrii (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niantsona an-tseranana, ilay fiaramanidinainy ny anao lahy, nanaraka ireo mpidina
dia nitanjozotra, nanao lala-manjohy,
ny rehetra teo aloha , no natao solon-drohy
dia niandry naka entana, nanahaka ny olona
sady mba nikevoka, hoe vita teo ny tolona
fa hahita zavam-piainana, fa tonga aty an-dafy
hahita paradisa, sy tsy hiafiafy
nony azo ilay kitapo, tsy dia navesa-batsy
dia nanaraka ny tondro, hoe ny fivoahana atsy
nivoaka ny seranana, ranga koa ny maso
niandry ilay mpitsena hanao hoe andraso
kanjo ….
tsy nisy na iray, izay mba nanontany
hoe sao dia ianao kay, ilay tsenaina izany .
Fa lasa daholo ny olona, nanaraka ny havany
izy sisa teo, nihamena koa ny tavany
dia nandeha ny adisanina, sy fampiononan-tena
mety hoe tarakely, angamba ilay mpitsena
dia naka saina kely, dia natao an-tsamboady,
ilay kitapo tokana, namana sy vady
teo vao notsakoa-nenina, tamin'ny kitoa
fa ilay finday, tsy nalaina moa
fa natoky fahatany, ilay olona izay mpaka
izay tsy hay akory, na i koto na i zaka
ndrii
ny toerana haleha, tsy fantatra akory
ny tena an-tanin'olona, vato boribory,
tsy mahalala inona, tanavo miaka-bohitra
adrisa very fanahy, an-tanin'ny sorohitra
dia saika hoe hipetraka, hisotro koa kafe,
vao nanao kaonty baoritra, hay ka volabe
natao fampitahana tamin'ity ariary
tonga dia nangotika ny kibo, naharary
ny teny koa tsy hay, izay no tena olana
tsy sahy hoe hanontany, sy hisolantsolana
ka hany sisa hery, naka sisiny nangasy
ilay mpitsena angamba, nanao fotoan-gasy
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Hevitra mandeha
ANARIM
(
04/01/2020 08:18)
hummmm mba tsy rariny loatra kosa hihihihihihi