Niniany (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i hery hoe "Niniako"

Niniany nofafana ilay laharam-pinday
Niniany koa novana, ilay seram-pifandraisana
Niniany nodoroina, ilay sary anankiray
Niniany tsy ho hay, ilay lalana niraisana

Niniany nohamaizinina, ilay maintin-tsolomasony
Niniany notampenana hira vao ny sofiny
Niniany nohamainina, ilay vongan-dranomasony
Niniany noharatsiana, ny sary tao an’nofiny

Niniany nolokoina, ny habaky ny fony
Niniany nosimbaina, ny tahirin-tsainy
Niniany niandrandrana, ilay jeriny ho ambony
Niniany nosoloina, ireo kalo zatra hirainy

Niniany nopotehina, ireo tsiaro mamy taminy
Niniany nodoroina, ireo takalon-teny
Niniany noravana, ilay dina efa nomaniny
Niniany nozimbaina, ireny rehetra ireny

Niniany nohadinoina ireo lasany fahiny
Niniany nototofana androany vaovao
Niniany tsy tsaroana, ireo mamy, s’ireo tsiny
Niniany novonoina, niniany noho ianao

Niniany ka niniany,
na dia mbola tiany
Hangalarana fijery,
hitenenana irery
Niniany sy nataony,
ireo zava-tsy fanaony
Niniany ka niniany,
satria ianao efa tiany
--------
Rohy:
933 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 01/06/2013 19:12)
Tiako anefa ny ianianao ny fanadinoana ahy
Mba tsy andoto ilay Fitiavako nomeko fo am-panahy
...

Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308