Nivava ve ny tsiaroko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nivava ve ny tsiaroko ?

Alakamisy masin’ny paka tamin’izay
Nirava ny fiangonana, izahay moa tsy mpandray
Dia niandry ray sy reny, teo an tokontany
Niresaka, nitafa, nikorana,nihanihany

Izy teo alohako, olona tsy haiko, voadiniko tsinahy
Tsy haiko izay nanjo, iny aho bebe resaka, sady sahisahy
“ianao izao vao hitako, izaho nefa mpiangona eto,ianao mandalo fotsiny ?”
Tsy niteny izy,fa natsikiny mora, ireto nify fotsiny

Iny aho mbola revo,nakanaka resaka, nikisaka takaiky
“ianao koa izany miandry ? efa hirava izao,raha tsy hoe taraiky”
Izy tsy niteny, fa nitsiky tsotra, tsy namaly, tsy niavona
Izaho nandinika azy,nanomboka jambena,tanaty rahon-javona

Nihazaka ny rako, nanonja koa ny foko,nihamena ny takolako
Nisy hery hafa, tsy nety voafehiko, tsy nety voafolako
Foana teo ny lohako,nangirana ny masoko,voafatotra ny vavako
Niraikitra ny lelako,nangovitra ny lohaliko,nifoha kay ny fitiavako.

Alakamisy masin’ny paka tamin’izay
Efa am-polo taona maro, efa fahizay
Nefa anio tadidiko, nivava ve ny tsiaroko
Sa nisy ny nitsoaka sy nilefa tsy voaaroko ?

© Raozigasy 10/04/19
--------
Rohy:
664 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0318