NY ANARANAO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANARANAO

Ny anaranao dia mahafoaka
Ilay ao am-po izay tsy miloaka
Ireo loharanon’ny taranaka
Tsara ny anaranao anaka

Ny anaranao dia tonga lafatra
Tsy mila hampitaina intsony ny hafatra
Fa ny tenanao ihany
Dia efa eo hanaporofo izany

Ny anaranao dia tena raitra
Ary izaho moa dia tsy taitra
Fa tsara fidin-dray sy reny
Ilay anarana nomeny

Ilay anaranao dia mahalaza
Ireo tsy voambara, tsy voalaza
Ireo fitiavana ao am-po
Samy ananan’izy roa
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1141 2
Mpakafy: Zozoro - ari.malala
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0346