Ny tena fifaliana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tena fifaliana, tsy ireo nozaraina
Na koa nosandohana, hampitsiky indray maraina
Fa ireo mampifaly ny andronao tontolo,
Ary maka laka, anao iray manontolo

Ny tena fifaliana, tsy ireo nibitahana
Fa ireo sady mamy, no ao am-po mibahana
Tsy ilay nampitselatra, tsiky vetivety
Fa ilay tsy mety ritra , ka isan’andro fety

Ny tena fifaliana, tsy ireo novidiana,
Ka manafina an-takalo, ireo zavatra mba tiana
Fa ilay fo nifanome, fitiavana miavaka
Ka mandavan-taona, faly ka mivavaka

Ny tena fifaliako, etsy lazaiko anao,
Tsy tsapako mihitsy raha tsy vao izao,
Ilay fifaliana feno, sy ho mandrakizay
Dia ilay zazakely, ilay zanakay
--------
Rohy:
2638 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0343