Ny tolona leitsy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tolona leitsy
Tsy an’”olom-petsy”
Mitady sahady
Vao miandoha ny ady
Izay ho tombokeliny
Hoe mana papeliny

Ny tolona leitsy
Tsy ilay “ndao lereitsy “
Hifampitarika
Mba hoe ho marika
Hitan’ny maro
Fa mahay mifangaro

Ny tolona leitsy
Tsy hoe “rehefa aman’hetsy “
Ny olo-mitaky
Izay vao avy malaky
Ho isam-bahoaka
Dia mihoakoaka

Fa ny tena tolona
Dia ao am-pon’ny olona
Mahay mitaky
Mandrava mamaky
Ny setra tsy rariny
Sy ireo zioga tariny

Fa ny tena tolona
Tamba-pokonolona
Miara-miady
Hanapaka tady
Ka ny fahamarinana
No hery hisikinana

Fa ny tena tolona :
ilay zo mahaolona
No ilaina indraina
Akarina ho saina
Ka izay no takiana
Hivoy firaisan-kina
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
911 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0258